Dépêches

Volley ball : Tapitra ny lalana ho an’ny Akio nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Afrika

Dépêche 15 novembre, 13h, Nanoloana ny faharesen’ny Akio nandritra ny fifanindranana tamin’ny Côte d’Ivoire izay lavon’ity farany tamin’ny isa 40 noho ny 14 dia tapitra ny lalana ho an’ireto mpilalao Malagasy vehivavy ireto. Lalao telo no nataon’izy ireo ary ratsy ny vokatra azo satria dia tsy nibata ny fandresena mihitsy izy ireo nandritra izay. Hita anefa fa tokony hahavita zavatra ireto mpilalao ireto ary tokony ampiana tosika sy tohana hatrany na ara-batana izany na ara-tsaina. Ny fizaran-tena ihany koa tokony hatao mafimafy mba hahafahana mahazo vokatra tsara hatrany.

Laisser un commentaire