ActualitésTsidika

Fanatanjahantena : Nitondra medaly volamena 13 nody ireo mpanao jiu-jitsu tany Maurice

Notanterahina tao Maurice ny fiadiana ny tompondakan’ny Afrika amin’ny taranja « jiu-jitsu » ny 12 novambra teo. Vokatra tsara no azon’iero solontenan’i Madagasikara tamin’izany satria dia medaly volamena miisa 13 be izao no nentina nody ankoatra ireo medaly hafa izay norombahin’izy ireo. Miisa 14 ireo mpilalao nisolo tena an’ny Madagasikara ary vehivavy ny roa tamin’izy ireo.

« Medaly miisa 17 no norombahan’ny mpilalao Malagasy. Medaly volamena avokoa ny 11 tamin’izy ireo. Tsy nitsanga-menatra araka izany ny firenena tamin’ireto solontena ireto satria dia tsara ny vokatra. Na tamin’ny sokajy misy kimono na ny tsy misy kimono dia samy nahazoana vokatra tsara avokoa », hoy i Pay Rasamy, Tale teknika nasionaly.

« Hitondra avo ny anaran’ny Madagasikara sy ny maha-Malagasy; na dia mafy aza ireo mpifanandrina ny mpilalao Malagasy ihany koa dia manana ny fahaizany manokana tsy azon’iza toherina. Tsara ny vokatra, tsy tokony hijanona amin’izany anefa fa tokony hikotrana mafy mihitsy mba hoe medaly volamena avokoa no entina mody amin’ny manaraka », hoy i Diarisoa Rakotoarison, mpikatroka jiu-jitsu Malagasy.

Manatalenta ny Malagasy, mila trandrahana izany talenta rehetra izany satria anisan’ny mampivoatra ny mampiasa ny talmenta hanananana indrindra ho an’ny firenena toy izao. Tokony ho zava-dehibe amin’ny Ray aman-dReny ny mamaritra ny talenta hananan’ny zanany hahafahana manoro lalana azy ireny amin’ny tsara. Tsara ihany koa raha hampidirina anaty fandaharam-pianarana ny hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana mba hahafahana mahita sahady ny lalana tokony harahin’ny ankizy tsirairay.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire