ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nozaraina « kits scolaires » ireo mpanala fanadinana BEPC

Nirotsaka teny amin’ireo mpianatra teny amin’ny CEG Ambohimangakely ireo tomponandraikitra miadidy ny kaominina ao an-toerana sy ireo mpiara-miasa aminy, ny faran’ny herinandro teo nizara fitaovana (kits scolaires) ho an’ireo mpianatra, taona fahasivy, hiatrika ny fanadinana BEPC.

« Mpianatra manodidina ny 2000, avy amin’ireo sekoly miankina sy tsy miankina eto anivon’ny kaominina Ambohimangakely, no nozaraina ny kits scolaires tamin’ity fotoana ity. Samy nahazo ny anjarany avokoa ny rehetra ho fanohanana azy ireo amin’ny fanadidina ataony » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Zava-dehibe ho an’ny mpianatra ny fanohanana amin’ny ara-pitaovana tahaka izao. Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny ezaka ataon’izy ireo hatrany, indrindra ny fijerena manokana ireo mpianatra » hoy i Narindra, mpampianatra.

Tsy manao ambanin-javatra ny lafin’ny fampianarana ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina ka manao ezaka hatrany ho fanohanana ny mpianatra ao an-toerana. Ny fanohanana ny mpianatra tokoa no mahatonga ny fahombiazana sy ny fahazoana valim-panadinana tsara.

Manitra R.

Laisser un commentaire