Fifaninana hidirana ho mpianatra zandary: Misokatra manomboka anio 04 Jolay ny fisoratana anarana
Araka ny naoty navoakan’ny avy amin’ ny fiadidiana ny zandarimariam-pirenena Malagasy dia misokatra manomboka anio Talata 04 Jolay ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanan hidirana ho mpianatra zandary.
Raha ny fanambarana hatrany dia anio 04 Jolay no manomboka ny fandraisana ny antota-taratasy fisoratana anarana ka hifarana ny 17 Aogositra 2023. Ny fanadinana amin’ity fifaninana ity dia ho tanterahina ny 16 sy 17 Septaambra 2023 ary ny taratasy fisoratana anarana dia afaka aterina eny amin’ny tobim-paritry ny zandary rehetra.
.
Nilaza ny tompon’andraikitra fa ho entitra ty ady amin’ny kolikoly amin’ity fifaninana ity ka hiharan’ny lalana avy hatrany izay tratra minia mandika lalana na koa minia mampanao fandikan-dalana. “Lalao madio no ho atao ry zandry ka ny fahaizanao ihany no hahafaka anao” hoy ny fanambaran’ny avy amin’ny zandarimaria-pirenena
“ Na dia eo aza ny resa-be mikasika ny fifaninana ho zandary toy itony dia tsy ampihemotra izany fa miroso hatrany. Ary matoa miroso dia manantena ny ho tafiditra fa tsy kivy am-boalaohany. Efa manomana tsara ny fanadinana mba hananana ny fahaizana takian’ny fifaninana” hoy ity tovolahy iray hisoratra anarana amin’ity fifaninana ity.
Raha ny antotan’isa mivoaka isan-taona dia aman’arivony maro ireo tanora lahy sy vavy no misoratra anarana hiditra ho mpianatra zandary. Voafetra ihany anefa ny isa ho raisina ka izay nahafeno an-tsakany sy an-davany ny fepetra takiana na ara-batana izany na ara-moraly sy ara-tsaina no ho tafiditra.
Miranto Andrih
