ActualitésTatitra

Maurice : Manokatra ny varavarany ho an’ny mpiasa vahiny ny nosy

Raha tsy manokatra ny toekarena amin’ny talentan’ireo vahiny ny nosy dia tsy ahavita hitazona ny fitombo sy ny fampivelarana ny sehatra ara-toekarena vaovao hoy ny minisitry ny toekarena tao an-toerana nandritra ny fanolorany ny tetibola. Manoloana ny tranga dia mikasa ny hanamora ny fahazoan’ireo vahiny asa ao an-toerana ny tenany.

Ny sehatry ny indostria sy ny fanorenana no tena hitadiavana mpiasa ao an-toerana izay hanolotra fifanarahana ho an’olona an’aliny, hisy ihany koa ireo hisehatra eo amin’ny fizahantany. Marihana fa efa fomba fiasan’ny nosy hatrizay ny fanakana mpiasa avy amin’ny firenena hafa. Isany maro an’isa indrindra ao an-toerana ny mponin’i Inde sy Bangladesh izay mahatratra 15 000, 3000 kosa ny avy eto Madagasikara, 70 avy ao Kenya ary 56 avy ao Afrique du Sud.

Ho an’ity taona ity dia mpiasa 40 000 indray no ho iraisin’izy ireo raha 36 000 izany tamin’ny taon-dasa. Afaka miditra ao amin’ny nosy amin’ny alalan’ny « visa touristique » kosa ireo mikasa ny hiasa amin’izany ary ao an-toerana vao mangataka fahazoan-dalana hiasa hoy ny tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire