Brésil : Nivoaka ny hopitaly ny filoha Jair Bolsonaro
Nivoaka ny hopitaly ny alahady 18 jolay lasa teo ny filoha Jair Bolsonaro, raha narary tsinay nandritra ny efatr’andro. Nahiditra hopitaly ny alarobia lasa teo ny tenany raha tratran’ny krizy be ary nambaran’ny mpitsabo fa olan’ny tsinay no nahazo azy. Izay vokatrin’ny tsatok’antsy nahazo azy tamin’ny fifidianana ny taona 2018 farany teo. Nandalo fizahana maro izy raha mila fandidiana maika na tsia. Tsy nandalo fandidiana anefa ny tenany ka afaka nivoaka ny hopitaly Sao Paul ny alahady teo fa kosa mbola manohy ny fitsaboana hatrany. « Efa hatramin’ny andro voalohany aho no te hivoaka ny hopitaly saingy tsy navelan’ireo mpitsabo » hoy ity filoha ity. Efa tsy andriny mihitsy aza ny hanohizany ny asany amin’ny maha filoha azy tahaka ny mahazatra.
