SocialTatitra

Kenya : Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana ilay tompondaka maneran-tany amin’ny taranja atletisma kenianina, Kelvin Kiptum

Maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana, niseho ny alahady hariva teo, tao afovoan’i Kenya, ilay atleta hikoizana sy miavaka eo amin’ny taranja atletsime, Kelvin Kiptum. Nosokajian’ny filoha kenianina ho « mpanao fanatanjahan-tena miavaka » izy noho ny zava-bitany satria efa nahazo na voasoratra tao anatin’ny boky firaiketana maneran-tany amin’ny fahaizana sy ny fihavahany manao zavatra. Izy moa izay nibata ny amboara maneran-tany tamin’ny hazakazaka lavitr’ezaka nandritra ny 2ora sy 35 segondra, ny taona 2023. 24 taona i Kelvin Keptum izao namoy ny ainy izao. Ankoatra azy, olona roa hafa ihany no namoy ny ainy tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity.

Laisser un commentaire