ActualitésTsidika

Fiaraha-monina : Nitondra fanampiana ho an’ireo fianakaviana sahirana ny fikambanana Vakana Andohatapenaka

Tsy nanadino ireo fianakaviana sahirana ao anatin’izao fety izao ny fikambanana Vakana eny Andohatapenaka. Miisa 30 ireo nahazo ny anjarany tamin’ny 29 desambra lasa teo.

« Isaorana ireo nahatontosa izao fizarana vary ho an’ny fianakaviana sahirana izao. Izahay eto amin’ny Fikambanana Vakana Andohatapenaka dia vonona hatrany hitondra fampandrosoana ny firenena amin’ny sehatra rehetra » hoy ny Filoham-pikambanana, Rakotondrabe Junot Felix Franklyn. « Mahafinaritra tokoa ny tahaka izao. Na dia mbola tanora aza ireo mpikambana dia mahatsapa sahady ny maha-zava-dehibe ny fifampizarana » hoy ny tompon’andraiki-panjakana ao Andohatapenaka. « Ho ela velona anie ity fikambanana manampy ny fiarahamonina ity. Hery lehibe ho anay tokoa ny fanampiana tahaka izao indrindra amin’ny fety » hoy i Clarine, renim-pianakaviana isan’ireo nahazo fanampiana.

Nantsangana tanora vitsivitsy avy ao Andohatapenaka hanampy ny mpiara-belona tokoa ny Fikambanana Vakana Andohatapenaka. Tsara tokoa ary mendrika tohana ny tanora tahaka izany eto amintsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire