ActualitésTsidika

Alasora : Mitohy ny asa fanatsarana ny lalana

Mitohy ny asa fanatsarana ny lalana kaominaly ao Alasora. Vita tamin’ity herinandro ity ny asa fanitaran-dalana ho an’ny teny amin’ny relaxe, araka ny voalaza.

« Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanitarana ity lalana ity, izay lalana kaomininaly mandray fiara betsaka indrindra eto amin’ny kaominina » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Hisaorana ny kaominina nitondra ny fanamboarana fa hita sy tsapa tokoa ny filaminana mandeha amin’ity lalana ity, taorian’ny nanamboarana azy. Mila entanina ny rehetra mpampiasa ny lalana mba samy hahay mikojakoja izany satria fananana iombonana ity » hoy i Tiana, mponina ao Alasora.

Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny asa fampandrosoana ny tanàna. Mbola mitohy amin’ny fanamboarana ny tatatra moa ireo tomponandraikitra taorian’ny nahavitan’ny lalana izao.

Laisser un commentaire