SocialTatitra

Indonésie : Nankalaza ny « Aïd » tao anaty ranomaso ireo mponina Rohingyas sisa velona taorian’ny faharendrehan’ny sambo nitondra azy ireo

Nankalaza ny fety famaranana ny fifehezan-tena (ramadan) tao anaty ranomaso sy ny etsetra ireo mponina mpitsoa-ponenana, Rohingyas, mialoka ao andrefan’i Indonesia amin’izao fotoana. Izy ireo izay sisa tsy maty taorian’ny faharendrehan’ny sambo nitondra azy ireo nandositra, ny faraparan’ny volana martsa teo. Olona 75 tao anatin’ny fikambanana musulaman vitsy an’isa ity no nogiazana tao Birmanie ka avotra soa aman-tsara tamin’izany. Ny sampana sosialy miahy ny tsy manan-kialofana avy amin’ny firenena mikambana no nanome tanana azy ireto. Ankoatra azy sisa velona, am-polony ireo namany sy havan’izy ireo maty tao anatin’izany. Ny marainan’ny alarobia, andro namaranana ny ramadan, namelatra lafika teo akaikin’ny toerana fialofan’izy ireo nanatanteraka ny vavaka tao anatin’ny ranomaso.

Laisser un commentaire