ActualitésTsidika

Soamanandray Fieferana : Nandova ny saina mahataka-davitra tamin’ny razam-beny ireo mponina

Vohitra iray ao anatin’ny fokontany Ambohitriniandriana, ao amin’ny kaominina Fieferana, distrikan’Antananarivo Avaradrano i Soamanandray. Toerana iray manan-tantara izy, ary manana ny mampiavaka azy ihany koa.

Raha miala eo amin’ny Somacou dia mandeha kely eo amin’ny 7km eo ho eo. Tsy dia lavitra izy, ary azo lazaina hoe tsy dia ratsy koa ny lalana satria misy ny efa vita tara, ary misy koa anefa ny lalan-tany izay efa vita tsara ihany koa.

Rehefa tonga ao an-toerana ianao dia mahita trano iray lehibe, miendrika lapa izany izy io, ary mbola hita tsara ery na ny bikany aza hatramizao. Raha ny lovan-tsofina heno mantsy hoy i Roger, zokiolona ao an-tanàna, dia « avy amin’ilay tovovavy tsara tarehy iray antsoina hoe Soa no niorenan’ity trano lehibe iray ity. Indray andro, nandalo ny mpanjaka ka nahita ny hatsarn-tarehin’ity tovovavy ity ka nangataka azy ho vadin’ny zanany. Tsy nanaiky izany anefa i Soa ka voatery nanampatra ny fahefany ny mpanjaka. Nikasa ny hanao an-keriny ny mpanjaka ka nijoro ny rain’i Soa, ary naifampiresaka tamin’ny mpanjaka, ka nagataka tambiny izy ny hanorenana trano iray lehibe miendrika lapa. Nanaiky ny mpanjaka ka zary lasa vakoka iray lehibe io trano io. Noho ny nananan’i Soa ray no nahvita io trano io, ka izay no nahatonga ilay hoe “Soamanandray” ».

Miendrika rova kely mihitsy io toerana io. feno hadivory sy aviavy ary voandelaka izay mariky ny fiandrianana. Misy vato masina miisa telo ihany koa eo an-tanàna mba ahafanatarana tsara fa tanànan’andriana izy. Mbola misy ireo mpanasina sy manao joro ao amin’ireo vatomasina ireo, ary mbola hajain’ny mponina fatratra izy io.

Ankoatra ilay trano miendrika lapa dia misy lafaoro iray eo akaikiny, izay mibikan’atody. Mbola tsy misy simba izy io, ary raha ny fantatra dia lafaoro nandoràna ny biriky tamin’ny fotoana nanaovana an’ilay trano miendrika lapa izy io. Misy trano manodidina sy eo ampitan’ny hadivory ihany koa no norafetina tamin’ny biriky natao teo amin’io lafaoro io.

Anisan’ny mponina manana fahavitrihana ireo mponina ao an-toerana, ary isan’ny tetik’asa tian’izy ireo ho atao izao ny hanagana orin’asa kely manodina ronono ao an-tanàna. Misy fikambanana maromaro ihany koa mantsy miara-miasa sy manampy ireo mponina ao an-toerana. Misy ny sasany amin’ireo mponina no miasa ivaelan’ny tanàna, izany hoe any andrenivohitra izany. Ny anakabeazany kosa dia mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana. ny vary sy ireny hanin-kotrana ireny no tena be mpamboly, fa ny omby kosa no tena be mpiompy. Amin’ny maha be mpiompy omby azy izay mihitsy no nahatonga ireo mponina nandinika ka nanana fikasana ny hanangana orin’asa kely mifandraika amin’izay.

Mponina azo alain-tahaka tsara, arak’izany, ny mponina ao Soamanandray, ary afaka iaraha-miasa ihany koa. Ankoatra ireo vakoka mbola tsara tarehy sy azo tsidihana tsara dia toerana azo hialana sastra sy hakana rivotra ihany koa i Soamanandray.

Laisser un commentaire