SocialTatitra

Italie : Dokam-barotra amin’ny vokatra « chips » iray no voarara noho ny fanohitohinana ny finoana

Dokam-barotra amin’ny vokatra iray any an-toerana, Chips Amica, no nohesorina, tsy navela handeha amin’ny fahitalavitra any Italie intsony. Manohitohina ny finoana any an-toerana ity dokam-barotra ity, araka ny voalaza. Maro tamin’ireo mpijery sy mpanaraka no nimenomenona sy nametraka fitoriana tamin’ireo tomponandraikitra amin’ny fahitalavitra noho ny fisian’io dokam-barotra io. Tao anatin’izany doka 30segondra izany moa, nahitana relijiozy manomana ny lamesa sy ny « ciboire » na ilay fitaovana fametrahana ny ostia (komonio tsy mbola voahasina), noho ny avy eo, tsy misy na inona na inona ny « ciboire » ka nandary fanapahan-kevitra ny hanokatra fonosana « chips » ireo relijiozy ho solon’izany. Araka ny fanazavana, dia mandika ny lalànan’ny dokam-barotra na ny fandaharana amin’ny haino aman-jery any an-toerana ity dokam-barotra ity ary manohitohina ny moraly sy ny maha-olona ary ny finoana.

Laisser un commentaire