ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Hisy ny tetik’asa hananganana tanàna vaovao

Hisy ny tetik’asa hananganana tanàna vaovao ao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Hanampy ny kaominina amin’ny fanatanterahana izany ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, araka ny voalaza.

« Ety Ambohimahavelona no hametrahana ny tetik’asa vaovao, Nouvelle ville. Efa nisy ny dinika nifanaovana tamin’ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao ary efa manomboka ny asa ao anatin’izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Tena ilaina tokoa ity tetikasa ity amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana ny tanàna. Anisan’ny hitondra fiovana goavana izany, indrindra eo amin’ny ekonomia sy ny fizahantany » hoy i Meva, mpianatra momba ny fampandrosoana ifotony.

Taratry ny fandrosoan’ny tanàna ny fanatsarana ifotony, indrindra ny fisian’ny tanàna vaovao. Anisan’ny mamelona sy manatsara ny seha-pihariana izany, indrindra ihany koa fa ny endriky ny tanàna.

Laisser un commentaire