Gaza : Nanao fanambarana momba ny nafahafatesany ny zanany telo lahy nandritra ny fanafihana Israelianina ny lehiben’ny Hamas
Nanao fanambarana tao amin’ny fahitalavitra vahiny iray, ny filohan’i Hamas, Ismail Haniyeh, momba ny fahafatesan’ireo zanany lahy miisa telo sy ny zafikeliny miisa efatra noho ny fanafihana nataon’ireo tafika Israelianina, ao amin’ny faritr’i Gaza. « Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny voninahitra nomena anay tamin’ny nanaovany maritiry ireo zanako telo lahy sy ny sasany amin’ireo zafikeliko,” hoy ity mpitariky ny Hamas ity, avy any Doha, izay toerana nipetrahany nandritra ny taona maro izao. Tsy hisalasalana intsony fa io fahavalo mpamono olona io dia entin’ny fanahin’ny valifaty, sy ny famonoana olona ary ny fandatsahan-dra, ary tsy manaja fitsipika sy ny lalàna akory, hoy hatrany ny fanambarany. Nandritra izany moa izy dia nanampy fa efa manodidina ny 60 izao ireo havany maty, tao anatin’izay fotoana nisian’ny ady, hatramin’ny 7 oktobra izay.
