Belgique : Nitokona ireo mpiasan’ny hôpitalim-panjakana
Nitokona ireo mpiasa rehetra tao amin’ny hopitalim-panjakana miteny frantsay omaly alatsinainy 14 jona tany Wallonie sy tany Bruxelles. Nangataka ny mba hisian’ny filaminana sy ny mba hanajana ny fepetra mikasika ny asa izy ireo nandritra izany. Mpitsabo maro no niala an-daharana sy niala tamin’ny asa hoy ny Sendika any an-toerana. Ary mbola nampiany hoe ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra mihitsy izao mitokona izao izay avy amin’ny faritra maro, indrindra ny any Liège, toy ny tany amin’ny CHR Citadelle, ny avy ao amin’ny ivon-toeram-pahasalamana Bois de l’Abbaye Seraing sy ny Waremme, ny CHR Verviers. Tsy izay ihany fa nampian’ny mpiasa avy ao amin’ny CSC Ambroise Paré sy ny CHP Chêne any Mons, ny ISPPC sy ny CHU Montignies-le-Tilleul, ny avy any Tournai, CHR Namur, ny avy any Arlon. Nihena ny mpitsabo, nitombo ny asa hany ka tsy voahaja intsony ny lalàna mifehy ny asa hoy i Lina Cloostermans izay Sekretera ao amin’ny CSC Services Publics.
