Grande Bretagne : Niverina nandresy indray i Lewis Hamilton
Teo amin’ny fihodinana voalohany dia efa nifandona i Lewis Hamilton (Mercedes) sy i Max Verstappen (Red Bull) tao Silverstone, omaly, amin’ny taranja Formule 1. Niala an-daharana ity farany ka i Charles Leclerc (Ferrari) indray no naka ny toerana voalohany. Fihodinana telo tsy hahavitan’ny lalao anefa dia voasongon’i Lewis Hamilton i Charles Leclerc, ka lasa faharoa. I Valtteri Bottas (Mercedes) no tafiditra fahatelo. Mbola i Max Verstappen hatrany no mitarika amin’ny fiadiana ho tompondaka eran-tany (isa 185). Manaraka azy i Lewis Hamilton (isa 177), ary fahatelo i Lando Norris McLaren, isa 113).
