Dépêches

Fitsarana : Hiverina hiasa ireo mpiraki-draharaha nitokona

Dépêche 27 octobre, 11h, Telo herinandro teo dia nitokona ireo mpiraki-draharaha tao anivon’ny fitsarana manerana ny nosy, ary mbola tsy niverina niasa. Raha tsiahivina dia noho ny fangatahan’izy ireo ho raisina ho mpiasam-panjakana raikitra no anton’izao. Nisy ny fifampiresehana teo amin’izy ireo sy ny Minisitry ny fitsarana ka nisy noho izany ireo efa niverina niasa, ireo mbola minia tsy miverina miasa kosa dia hahazo sazy. Nihaona tamin’ny Minisitra fanindroany indray ny syndicat nifampidinika ny azo atao hanampiana azy ireo ka izao nahazoam-bokatra tsara izao izany. Hiverina hiasa izy ireo ny 2 novambra ho avy izao noho izany. Fampiantoana ny hetsika ao anatin’ny telo volana no tapaka tamin’izany mba hahafahan’ny Minisitera manatanteraka ny fangatahan’izy ireo.  

Laisser un commentaire