Kolontsaina: Herinandron’ny HAVATSA-UPEM, maro ny hetsika ho hita.
Araka ny efa fantatra dia mankalaza ny faha 70 taonany ity sampana iray hikambanan’ireo mpanao asa soratra ity dia ny HAVATSA-UPEM izany. Entina hankalazana izany dia mikarakaraka ny herinandron’ny HAVATSA-UPEM izy ireo nyb 25 ka hatramin’ny 29 oktobra izao ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Ny lohahevitra entina nankalazana ity faha 70 ity moa dia ny hoe “velona ho velona ny haisoratra”, izany indrindra no anton’izao hetsika izao hahafahana mamaelona indray ny asa soratra Malagasy.
“Hanasana ireo rehetra izay liana amin’izany asa soratra Malagasy izany ity fotoana ity. Natao mandritra ny herinandro tokoa hahafahana manome fahafaham-po ireo mpankafy rehetra. Maro ny seho ho hita mandritra izany fa ny tena zava-dehibe tokoa dia ny fampirantiana ao amin’ny efitrano Dox ireo vokatry ny mpanoratra maro sy ny vokatr’uireo mpanoratra amperim-panoratana, mandritra izany herinandro izany”, hoy i Hajaina Andrianasolo, Filohan’ny HAVATSA-UPEM.
“Ankoatra ny fampirantiana dia hahitana varotra boky sy antsa maro isan-karzany mandritra ny hetsika. Hisy ihany koa ny resadresaka amin’ireo mpanoratra rehetra”, hoy hatrany ny fanazavana.
Haharitra herinandro izany fotoana izany ary misy fandaharam-potoana hiavaka isan’andro. Ireo mpankafy ny asa soratra Malagasy rehetra dia hahita fafiny tokoa mandritra izany. Maro ny mpanoratra vao misandratra tena mahavita azy ary mamokatra zavatra tsara, ampiana tosika izy ireny mba hahalalan’ny maro azy ka mba hampitombo ireo mpankafy ny asa soratra Malagasy.
Miora Raharisolo
