France : Vehivavy iray no niharan’ny herisetra tao anaty fiaran-dalamby noho ny resaka toerana
Vehivavy iray manodidina ny 30 taona no nandeha fiaran-dalamby hiazo fodiana rehefa avy niasa iny tao Montpellier. Nandeha ny zotra faharoa amin’ny tramway tao an-toerana izy, ary nipetraka tamin’ireny seza mifampitodika ireny. Manodidina ny 7 ora sy 20 minitra tamin’io andro nisehoan’ny tranga io dia nisy mpifankatia nipetraka teo akaikiny. Nikisaka tany amin’ny fitaratra izy mba hanomezana toerana ireo olona teo ankaikiny saingy nilaza ilay olona teo ampitany hoe « mikisaha, tsy hitanao ve fa manelongelina ianao ! ».
Namaly kosa ilahy vehivavy fa efa tena nikisaka iy ary raha tsy faly ilay vehivavy niresaka taminy dia afaka manome ny toerany ho an’ireo olona teo akaikiny. Manoloana izany teny izany dia tezitra ilay vehivavy teo ampitany ka nanakapoka ny lohany tamin’ny fitaratra ary raikitra ny fifandirana. Nampian’ireo mpandeha hafa nefa ilay namono ity vehivavy ity ka voadarodaroka ny tenany. Mpandeha hafa kosa no nanasaraka ny ady.
Manoloana ny tranga dia niditra hopitaly nandritra ny 48 ora ilay vehivavy manodidina ny 30 taona. Nmaetraka fitoriana izy, ary efa manaomboka ny fikarohana ireo nanao herisetra taminy izay hita tamin’ny « vidéosurveillance ».
