ActualitésTsidika

Tontolo iainana: Velaran-tany 9000 ha horakofana ala ao Matsiatra Ambony

Tao amin’ny Renivohitry ny faritra matsiatra Ambony tao Fianarantsoa no nanombohana ny fandaharan’asa PLAE; fandaharanasa miady amin’ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany), andiany faha-6 (2022- 2027) ho an’ny faritra Matsiatra Ambony. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary vatsian’ny Banky Alemana ho an’ny Fampandrosoana KFW vola amin’ny ampahany ity asa ity.

“Tanjon’ity tetikasa ity ny hiarovana ny sahan-driaka, ny fanatsarana ny tontolo iainana izay miompana bebe kokoa amin’ny fanatsarana ny tany ary ny fanarenana ny ala eto Madagasikara. Manodidina ny 9000 ny velaran-tany horakofana ala amin’ny alalan’ny PLAE VI ao amin’izany faritra izany amin’ny ankapobeny”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

“Zava-dehibe ny fambolena hazo. Ankoatra ny fandrakofana an’ny Madagasikara dia mbola manana adidy lehibe I Madagasikara amin’ny fiarovana ny tanindrazana ho an’ny taranaka. Manana andraikitra amin’izany ny Malagasy rehetra amin’io ady io”, hoy hatrany ny avy ao amin’ny Minisitera.

Ny PLAEVI koa dia mandray anjara feno amin’ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo sy ny fitandroana ny harena voajanahary tsy misy afa-tsy eto Madagasikara.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire