ActualitésTatitra

Russie : Nankatoavin’ireo solombavambahoaka ny volavolan-dalàna mandrara ny fanovana fananahana

Nankatoavin’ireo solombavambahoaka tao Russie ny alarobia teo ny volavolan-dalàna mandràra ny fanovana fananahana amin’ny alalan’ny fandidiana na amin’ny alalan’ny fanovana ny sata sivily. Azo atao kosa nefa ny fandidiana raha toa ka misy ny tsy fahatomombanan’ny taovam-pananahana hatrany am-bohoka. Na io tranga io aza nefa dia tsy maintsy hamarinin’ny governemanta araky ny volavolan-dalàna.

Tanjona amin’ity lalàna vaovao io ity kosa ny fanafongorana ny indostrian’ny fanovana ny fananahana izay mirongatra ao Russie raha ny fanazavana. Misy mihitsy ireo mpitsabo, « psychologue », tambajotra ary mpikatroka LGBT mampiroborobo izany ao an-toerana raha ny fanamafisana.

Notsindriana manokana tao amin’ny volavolan-dalàna io ihany koa ny fototry ny lalàm-panorenana Russie izay miaro ny soatoavina ara-pianakaviana nentim-paharazana ary mamaritra ny fanambadiana ho firaisan’ny lehilahy sy ny vehivavy irery ihany.

Laisser un commentaire