ActualitésTatitra

Inde : Sahirana vao tafatsangana ny orinasa « Aravind Eye Care »

Hopitaly fitsaboana maso amin’ny sarany ambany dia ambany ny « Aravind Eye Care ». Ny mpitsabo maso Govindappa Venkataswamy no nanangana azy tao Madurai, Tamil Nadu tamin’ny taona 1976. Fitserany ny mpiray tanindrazana taminy no nanaganany io orinasa io. Nanodidina ny 15 tapitrisa ny jamba tao Inde, izay ampehefan’ny jamba eran-tany, ka nitady vahaolana hanenana io isa io izy.

Sarotra anefa vao tafatsangana io orinasa io. Honjohonjon’i Govindappa Venkataswamy samirery no nanaganana izany satria tsy nanaiky nampindram-bola azy ny banky, ka ny firavaky ny fianakaviany sy ny tranon’ny mpiray tampoho taminy no nataony antoka. Tao an-tranon’ny rahalahiny no nanaganany ny hopitaly voalohany, ary fandriana 11 monja ny nisy tamin’izany : ny 5 ho an’ireo nanam-bola, ary ny 6 ho an’ireo tsy afaka nandoa vola. Tao anatin’ny herintaona monja nefa izy dia nahavita fandidiana 5 000.

Niroborobo ny orinasa taorian’izay, ary efa nisy fandidiana maso 32 tapitrisa tao amin’ny hopitaly tao anatin’ny 36 taona, amin’ny sarany 5 hatramin’ny 200 dollars. Maimaimpoana ihany koa roa ampahatelon’ny fitsaboana ao amin’ity hopitaly ity.

Laisser un commentaire