Torohevitra : Ireo fitandrema azo atao rehefa fotoan’ny fahavaratra
Anisan’ny vanim-potoana hitrangana seho sy loza voajanahary maro samy hafa ny fotoanan’ny fahavaratra. Ilaina fitandremana mandritra izany. Matetika rehefa avy ny orana dia misy fifanantonana herinaratra eo amin’ny rahona sy ny tany ka miteraka feo midoboka mafy (kotroka) sy hazavana miendrika herinaratra (tselatra). Mety hanimba fitaovana maro izy io, mety hiteraka afo ary mety hahafaty mihitsy aza.
Misy ny fitandremana tokony hatao rehefa manomboka ny midona ny orana. Voalohany, raha ao an-trano, esorina daholo ireo fitaovana izay mifandray amin’ny herinaratra, ary tsy milalao rano anaty trano fandroana. Tsy tsara ihany koa ny mijanona eo anoloan’ny varavaran-kely rehefa manomboka midona ny orana na mitselatra, indrindra tsy tokony hampiasa finday raikitra (telephone fixe).
Raha eny ivelan’ny trano kosa, tsy mandray na manakaiky fitaovana vita amin’ny vy toy ny elo, ny angady, andrin-jiro, tsy dia mifanakaiky amin’ny olon-kafa ary tsy mifampitantana, tsy mialoka ambany hazo, raha anaty fiara dia mijanona mihitsy ka hidiana avokoa ny fitaratra ary tsy mitoby ambany hazo, manalavitra ny moron-dranomasina na rano mandeha, raha tena tsy hita izay ialofana dia azo atao ny mihohoka amin’ny tany aloha mandra-pijanon’ny varatra.
Tsara ny mailo hatrany raha misy fitaovana na zavatra nilatsahan’ny varatra mba hisorohana ireo loza hafa mety ho aterak’izany.
Manitra Ramanantsoa
