SocialTsidika

Ilaina eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ve ny findramam-bola any amin’ny banky ?

Sakana alohan’ny hananganan-javatra na tetik’asa iray ny vola hany ka tsy mahasahy miroso ny olona sasany satria tsy misy ny vola no matahotra ny hampiasa vola. Betsaka ny olona manodina vola amin’ny alalan’ny fampindramam-bola ataon’ny banky rehefa hanatanteraka tetik’asa iray, ary isany amin’izany ny ao amin’ny kaominina Alasora.Betsaka ny mponina mindram-bola ao amin’ny « Ombona Tahiry Ifampisamborana Vola » na ny OTIV, mahatafavoaka eo amin’ny fiainana tokoa ve ny findramam-bola amina banky ? « Matetika difotry ny trosa ny olona iray dia azom-panahy hindram-bola hany ka vao maika mihiditra trosa indray, eo ihany koa ny mandany vola fahantany fa tsy manangan-javatra akory » hoy i Nadya, mpianatra toe-karena eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Misy tokoa ny olona miandry vola vao manatanteraka tetik’asa iray goavana. Mety amin’ny fandraharahana ve izany ? Samy manana ny nofinofiny sy ny tanjony ny rehetra, ao ireo maniry ny hiakatra tsikelikely ka miainga amin’izay misy aloha ary betsaka no efa nahomby tamin’izany ; ao kosa ireo maniry ny tonga dia ambony saingy mila vola betsaka izany hany ka mindram-bola, tsy vitsy ihany koa ireo nahomby tamin’izany.Azo ampiarahina tsara noho izany ny findramam-bola raha toa ka hay ny mampiasa sy ny mitantana azy. « Izaho nindram-bola tamin’ny banky nampitako ireto akoho manatody lava ireto, izao izy ireo manatody isan’andro ka mora tamiko ny mamerina ny volan’ny banky isam-bolana ary mbola nahafahako namelona ny vady aman-janako aza » hoy i Tsiky, mpandraharaha amin’ny resaka fiompiana akoho manatody lava.Tsy ratsy akory ny mampiasa vola nindramina saingy hafa kokoa ilay miainga amin’ny misy ary rehefa tena hita fa mandroso ny fihariana dia mampitombo hatrany na dia hindramam-bola aza.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire