Mitaraina ireo mpanjifan’ny JIRAMA ao Ambanja ankehitriny
20 Aogositra, 08:15. Velon-taraian ireo mpanjifan’ny JIRAMA any Ambanja indrindra ireo mampiasa ny « compteur intelligent ». Nambaran’izy ireo fa midangana tsy araka ny tokony ho izy ny vidin-jiro, mangony fotsiny ny fahatapahan-jiro lavareny mandritra ny andro maromaro amin’ireo tokantrano sasany. Raha ny fantatra dia tsy misy teknisianina manamboatra sy manara-maso any an-toerana fa miandry ny avy any Antananarivo hatrany vao afaka manao izany.
