International Street Food Festival: Naharitra 3 andro ny hetsika
Ny faran’ny herinandro teo no natao ny International Street Food Festival izay natao teo amin’ny tokotanin’ny Toeram-pivarotana Zoom Ankorondrano. Nanana mpandray anjara tamin’izany ny Malagasy ary afaka indrindra naneho ny maha izy azy ny firenena sy ny mampiavaka ny firenena Malagasy.
“Raha miresaka hoe sakafo eny andalam-be dia ny masikita, ny tono akoho sy ny maro hafa foana no voaresaka kanefa izy io dia miovaova isaky ny firenena. Izany indrindra no nanaovana ity hetsika ity hahafahana mampihanoka ireo mpankafy sakafo ary hahafahan’izy ireo mitety firenena maro amin’ny alalan’ny sakafo”, hoy ireo mpikarakara.
“Hahazo ny anjarany ihany koa ireo zaza sy ny ankizy satria araka ny efa fantatry ny mpankafy sakafo maivana eny amoron-dalana rehetra dia maro ny vokatra tsy ara-pahasalamana eny ka tsy tsara loatra omena ny zaza. Anisan’izany ny Nutrilait izay lafarinina natokana ho an’ny zaza ary mora karakaraina. Nampirantina sy novarotina nandritra ny hetsika ihany koa mba hahafahan’ny ankizy kely mandray anjara amin’ny hetsika”, hoy i Shekinah Andriamanarivo, avy ao amin’ny ONN.
Mahafinaritra ny misakafo maivana eny andalam-be eny rehefa ilay mirava avy miasa na avy mianatra iny mba mamerimberina aina kely kanefa mila tandrovina tsara ny fahadiovana. Manana andraikitra amin’izany ihany koa ny mpivarotra izay tokony hanaja indrindra ny fahadiovana ho fahasalaman’ny mpanjifa sady fanajana azy ireo.
Miora Raharisolo
