Dépêches

Nihaona tamin’ireo Malagasy monina sy mianatra any Whashington DC ny filoham-pirenena mivady.

Nandritra ny dian’izy mivady tany Whashington dia nihaona tamin’ireo Malagasy monina any Whashington izy ireo. Votoantin-dresaka tamin’izany ireo tetik’asa lehibe sy ireo ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny sehatra maro ho fampandrosoana ny firenena ny Filoha nandritra izao fihaonana izao. Voaresaka tamin’izany ohatra ny mahaksika ny lalam-be mogodana izay vao nanomboka vao tsy ela akory izay. Ny fanatsarana ny herinaratra, ny fampiasan ny angovo azo havaozina. Eo ihany koa ilay pipeline goavana any Efaho. Nanamarika moa ireto Mlagasy monina any Washington ireto fa vonona hanampy ny firenena sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Laisser un commentaire