Sehatry ny jono ao Itasy
21 Septambra, 07h00. Manana ny velarana 3500Ha ny farihin’Itasy, izay sehatra afaka hampiroboroboana ny toe-karena manga. Zana-trondro miisa 50.000 araka izany no narotsaka teo amin’ny farihin’Itasy mba hitombo ka afaka hampiakarina sahady afaka efa-bolana. Hamenoana ny rojom-pihariana amin’ny toekarena manga hatrany dia hampiroboroboana ao an-toerana ihany koa ny fambolena lomotra.
