Fahasalamana : Nahitana fiakarany ny tahan’ny olona tratran’ny COVID-19 ny herinandro farany teo.
Araka ny antontan’isa izay havoakan’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka isaky ny faran’ny herinandro dia nahitana fitomboana ny isan’reo olona mitondra ny tsimok’aretina COVID-19 hy herinandron’ny 22 ka hatramin’ny 28 oktobra teo raha mihoatra ny herinandro talohany. Miisa 43 ireo olona vaovao mitondra io tsimok’aretina io. Teto amin’ny faritra Analamanga no tena nahitana betsaka izany izay miisa 32 izy ireo. Tsy misy kosa ireo olona tafiditra amin’ny fahasarotana ahtreto. Ilaina hatrany ny mitandrina sy mailo satria mbola misy ity aretina ity. Samy tompon’andraikitra amin’ny tenany ny olombelona tsirairay. Izany ihany koa anefa dia anatin’ny fiarovana ny hafa. Tsy hadinoina ny fanasana matetika ny tanana amin’ny savony.
