Ambohimangakely : Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana ho an’ny tetik’asa lalan-kely
Nisy ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana entina hikolokoloana sy hikajiana ireo lalan-kely ao anatin’ny kaominina Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo. Fiaraha-miasa avy amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena sy ny ministera miahy ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany no nahazoana izany. Nandray ireo fitaovana natolotra nandritra izany ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Anisan’ny taratry ny fampandrosoana ny fandraisana andraikitra amin’ny fanohanana ho an’ny tetik’asa tahaka izao. Ilaina ny fampandraisana andraikitra ny vahoaka ao anatin’izany mba ahitana ny vokatry ny asa mivainagana ao anatin’ny kaominina » hoy i Tefy, mpianatra momba ny fitantanana.
« Manana anjara biriky lehibe amin’ny fapandrosoana ny tanàna ny olom-pirenena tsirairay avy. Tsy voatery hiandry baiko na hetsika avy amin’ireo tomponandraikitra. Ilaina ny fahatsapan-tena ao anatin’izay, indrindra mila tia fandrosoana sy fahaizana mankasitraka » hoy i Tantely, mpisehatra momba ny fampandrosoana ifotony.
Maro karazana ireo fitaovana natolotr’ireo fikambanana ho an’ny kaominina, toa ny borety, sarety, ny fourche, ny sobika, ny fitaovana fanadiovana isan-karazany. Eo am-piandrasana ny fanombohan’ny fanamboarana isan-karazany araka izany ireo mponina ao anatin’ny kaominina.
Manitra Ramanantsoa
