Miverina indray ny sakan-dàlana amin’ny làlam-pirenena fahafito
Zotra rezionaly handeha hianatsimo no voatafiky ny andian-jiolahy teo anelanelan’i Beronono sy Kianja, akaikin’Ilaka Centre, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady 19 septambra lasa teo. Lasany avokoa ny vola, ny entana sy ny zava-tsarobidy rehetra tany amin’ireto olona ireto. Nisy ihany koa anefa arak’izany ireo mpandeha naratra nandritra ny fanafihana.
Raha atao ny tamberina, ny volana febroary lasa teo no nisian’ny tranga toy izao farany tamin’ity làlam-pirenena ity. Araka izany, niverina indray ny tranga volana vitsivitsy taty aoriana ka nisy nahatsikaritra « hono » ny fiara nitondra ireto jiolahy andeha hanao ny fandrobana ireto. Fiara Sprinter sy tsimatahodalana no nametraka ireto jiolahy am-polony nirongo basy ireto teo amin’io toerana io. Efa tonga teny an-toerana anefa ny mpitandro filaminana nanao fanadihadiana sy tatitra momba ity raharaha ity. Ary vokatr’izany, nikatso avokoa ny fifamoivoizana teny an-toerana.
Araka ny nambaran’ny mponina tany an-toerana, nisy trangana fanafihana toy izao ihany koa ny asabotsy 18 septambra 2021 teo. Tokony tamin’ny 2ora latsaka teo no nitranga izany teo amin’ny PK 82+700 Menabe Lovainjafy, kaominina ambanivohitra Ambohimpihaonana, distrikan’Ambatolampy. « Lehilahy 4 nitondra bois rond no nitoraka vato sady nanakana an’ilay taxibrousse hihazo an’Antananarivo, teo amin’ny arabe » hoy i Lanto, mponina any an-toerana. Hoy kosa anefa ny mpitandro filaminana fa « avy namonjy lanonana izy efa-dahy no nikasa ny hanendaka ka tratranay taorian’ny sompatra efa vitany ». Raha ny nambaran’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka, Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys momba ny raharaha fanafihana tahaka itony, « tokony hamafisina ny hidin-trano sy ny filaminam-bahoaka rehetra amin’ny faritra tsirairay ». « Ny fiarahamonina dia mamaritra ny fitondran-tena isam-batan’olona, satria izy io dia mangeja ireo teritery mifehy ireo zava-misy ara-tsosialy ireo » hoy i Émile Durkheim, manam-pahaizana mandalina ny fiarahamonina. Raha azavaina ny tian’ity manam-pahaizana ity ambara dia miainga avy amin’ny fiarahamonina anankiray ny maha izy azy ny tsirairay.
Arak’izany, mety sahirana ny fiarahamonina misy azy ireto amin’ny ankapobeny ka mitarika azy ireo hanao izao asa ratsy izao. Mety ho sompatra fotsiny tsotr’izao ihany koa anefa na tsy mba zatra mikaroka fa mihinana ny hatsembohan’ny hafa fotsiny. Noho izany, mbola tsy ampy ve ireo asa fidiram-bola efa ezahan’ny fanjakana hatevenina ankehitriny ka antonym bola mampiseho ny tranga toy izao ?
Miangaly Rasoamihajamanana
