ActualitésTsidika

Fahasalamana : Ahiana ho misy tranga na pesta ao amin’ny distrikan’ Ankazobe

Toerana iray ahitana tranga na pesta matetika ao Ankazobe. Ny fotoana toy izao no hiparitahany betsaka noho ny fiakaran’ny rano ka manjary mitady toerana maina ireo voalavo mpitondra ny tsimok’aretina ka miakatra antanàna. Efa nisy tranga iray nentina natao fitiliana mahakasika izany eny amin’ny Institut Pasteur.

« Mbola tsy mila tranga voamarina fa mbola ahiahy no mipetraka. Rehefa heno anefa fa miahiahy ireo mponina dia anjaranay no mandray andraikitra mitily sy maka ireo singa hatao fitiliana mba hanamarinana raha tena misy tokoa ilay tranga na tsia », hoy i Andriamanjato Jean David, Medecin Inspecteur STSP Ankazobe.

« Aretina mampatahotra ny pesta raha mijery ireo salan’isa. Raha tsy voatsabo dia miteraka fahafatesana mihitsy. Fanampin’izany dia mbola areti-mifindra ihany koa ka tokony hojerena akaiky fa sao ho fatifaty foana eo », hoy i Nina, mponina ao Ankazobe.

Zazakely fito taona tao Ambatoloana ihany koa no voamarina fa nitondra ny aretina pesta atodi-tarimo. Nohentina namonjy hopitaly haingana moa ity farany ka voatsabo ara-dalana ary voafehy ihany koa ny aretina tao an-toerana ka tsy misy tranga ahiahiana intsony. Aretina azo sitranina ny pesta fa mila fahamailoana avy amin’ny rehetra anefa. Ny fanajana sy fitandroana ny fahadiovana dia efa hevitra iray hahafahana miaro tena amin’ny pesta. Manana andraikitra amin’izany ny olom-pirenena rehetra noho izany.

Miora Raharisolo 

RépondreRépondre à tousTransférer

Laisser un commentaire