Befandriana Avaratra : Dibo-drano ny tsena sy ny fonja
Niakatra ny renirano Soboagna noho ny fandalovan’ny rivo-doza Gombe tao Befandriana Avaratra. Dibo-drano ny fonja ao Bealanana Avaratra sy ny tsena ao Tavenina, Antsakabary.
« Tsy maintsy nafindra toerana azo antoka ireo voafonja 45 noho ny fahabetsahan’ny rotsak’orana. Dibo-drano ihany koa ny tsena fivarotam-bokatra ao Tavenina‚ kaominina Antsakabary‚ Distrikan’i Befandriana avaratra » hoy ny tompon’andraikitra ao Befandriana Avaratra.
« Efa nivoaka tany amin’ny moron-tsirak’i Sofia ny alin’ny 8 martsa teo ilay rivo-doza Gombe. Mila mitandrina hatrany anefa isika indrindra manoloana ny fiakaran’ny rano sy ny mety ho fihotsahan’ny tany » hoy ny avy ao amin’ny sampana mpamantatra toetr’andro. Nahemotra noho izany ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ao Befandriana avaratra noho ny rivo-doza.
Mbola mila mitandrina hatrany ny mponina ao Befandriana Avaratra.
Nicole Rafalimananjara
