RSE : Ho tanterahina eny amin’ny CCIA ny atrik’asa hifampidinihana mahakasika izany
Noho ny fahatsapana fa mbola tsy manatanteraka sy mbola tsy dia betsaka ny orinasa no manao ny politika mahakasika ny Responsabilité Sociétale de l’Eentreprise no hanatanterahana ity latabatra boribory ity. Ny vondrona BTC sy ny Fédération des Chambres de Commerce et d’Industrie de Madagascar (FCCIM) ary ny Chambre de Commerce et d’Industrie d’Antananarivo (CCIA) no miara-mombon-kevitra amin’ny fanatanterahana izany hetsika izany. Ho tontosaina ny alarobia 23 novambra 2022 izao ao amin’ny CCIA Antaninarenina ity atrik’sa ity. Miisa 50 eo ho eo no handray anjara hifanakalo hevitra sy hiresaka mahakasika ny dingana fanatanterahana izany RSE izany.
« Ny tanjona amin’ity atrik’asa ity dia ny mba hananan’ny mpandray anjara rehetra fijery mitovy mahakasika ny atao hoe RSE. Afaka mifanakalo hevitra sy mandray izay tandrify azy ny rehetra, mba ahafahany mandray andraikitra amin’ny tokony ho fanatanterahany izany RSE izany. Raha ny tokony ho izy mantsy dia ny orinasa rehetra mihitsy no tokony hanana politika RSE izany », hoy i Hasina, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC.
« Hahazo sehatra avokoa ny mpandray anjara rehetra mandritra ny atrik’asa izay hatao ahafahana mandray ny hevitry ny olona rehetra hahafahana mampandroso ny fanatanterahana ny RSE eny anivon’ny orinasa tsirairay. Fotoa natao hanentanana ny orinasa rehetra hanana sehatra iray manatanteraka ny RSE amin’ny lafiny fiaraha-monina sy tontolo iainana ary fitantanana ity fotoana iray ity », hoy hatrany ny fanazavana.
Sehatra iray handraisan’ny orinasa rehetra anjara amin’ny fanatrarana ny tanjona mahakasika ny fampandrosoana lovain-jafy ny RSE. Manana adidy amin’izany ny orinasa iray raha mbola mivelona eto Madagasikara. Tsy tokony hatao ambanin-javatra noho izany ny politikan’ny RSE izany eo anivon’ny orinasa, na madinika na vaventy na ireo orinasa vao misondrotra. Handray anjara amin’io 23 novambra io ireo mpitantana orinasa, ireo fikambanana samihafa mahakasika ny fampandrosoana, ireo manana traik’efa amin’ny RSE, ary eo ihany koa ireo avy amin’ny fitondram-panjakana isan-tokony.
Miora Raharisolo
