Ambohimalaza : Mirongatra ny hala-botry
Mirongatra ny hala-botry ao amin’ny kaominina Ambohimalaza Avaradrano. Miakatra tokoa ny vidim-piainana, hany ka mangalatra no hevitry ny sasany.
« Mila mailo isika rehetra eto Ambohimalaza. Mitranga matetika ny tsy fandriam-pahalemana. Ny hala-botry no tena manjaka amin’izao » hoy i Mirado, mponina ao Ambohimalaza. « Miha-mahantra tokoa ny vahoaka. Mifangalatra am-pitoerana eto sisa no atao. Mila vahaolana haingana ny firenena. Latsaka anaty fahantrana lalina ny nosy » hoy i Hery, mpahay toe-karena.
Sakana tsy mampandroso ny tsy fandriam-pahalemana. Ny vahoaka samy vahoaka no mifampitsetsitra an-toerana. Mila vahaolana maharitra ny lafiny sosialy.
Nicole Rafalimananjara
