Dépêches

Distrika Beloha: Notolorana fampiofanana ho lasa “maçon” ireo tanora

Tanora miisa 10 ao amin’ny tanànan’ny Soamanitra, Fokontany Tranovaho, distrikan’ny Beloha ao Androy no nahazo izany fampiofanana izany avy amin’ny PNUD. Anatin’ny programan’asan’ny PNUD izay hanampiana ny tanora hahaleotena sy hahay asa tanana hahafahana mitady vola. Taorian’ny fampiofanana izay natolotra dia nahavita nanangana trano misy efitra miisa 5 izy ireo, trano izay manaraka ny fenitra sy ny teknika tadiavian’ireo mpandraharaha. Marihina moa fa ity fampiofanana ity dia tafiditra ao anatin’ny fampiroborobona ny tontolo ambany vohitra sy ireo olona izay marefo hanana ny fidiram-bolany hafa.

Laisser un commentaire