Andro ratsy: Nitsidika sy nitondra fanampiana ho an’ireo tra-boina ny filoham-pirenena
21 Janoary, 08h00. Tonga nijery ifotony ny zava-misy teny amin’ireo faritra dibo-drano ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 20 janoary 2021. Ho atao haingana ny fomba rehetra hanalana ny rano eny Andohatapenaka. Nizara fanampiana ho an’ireo tra-boina mitoby eny Ankrondrano ihany koa izy.
