Dépêches

Mahajanga: Olona iray naratra voatora-bato

21 Janoary, 09h00. Tovovavy iray mpikambana ao amin’ny Grand-SUD no voatora-bato nandritra ny diabe fihetsiketsehana famaranana ny fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana izay ho filohan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga ny omaly tamin’ny 05 Ora ariva teo. Tsy fantatra mazava izay naviany tora-bato sy ny olona nandefa azy. Misy ireo milaza fa avy tamin’ny SERS (Solidarité des Étudiants de la Région Sofia ) izay nolavin’ny filohan’ity vondrona ity hatramin’ny farany. Ny 22 janoary izao no hotontosaina io fifidianana io.

Laisser un commentaire