La Réunion : Nandray anjara fanampiana ny mpianatra tao Saint-Benoît
Rehefa nanao angom-bokatra nandritra ny roa volana ny mpianatra CAP1 tao amin’ny lycée Nelson Mandela ao Saint-Benoît dia niroso tamin’ny fanolorana izany ny fikambanana Tien Bo Ensemb. Ity farany moa dia fikambanana manamy ireo olona tena sahirana sy mila fanampiana na lavitry ny fianakaviana ao amin’ny nosy.
Vokatra mahery ny 700 isa no voahangon’ireo mpianatra tamin’izany izay nisy fitafiana, sakafo, fitaovam-pidiovana, kilalao, sns. Mpianatr’i Canabady Ashwani, mpampianatra momba ny toekarena sy ny fitantanana ireo zatovo nanatontosa ny tolo-tenana ireo. Nanazava io tompon’andraikitra io fa tetikasan’ny mpianatra manokana mihitsy izany.
