ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nidina an-dalambe ireo mponina vokatry ny tsy fisian’ny rano

Nidina an-dalambe, nandoro kodiarana sy nitokona ireo mponina mipetraka eny Mahazo Ankadindramamy, izay manodidina an’Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo. Vokatry ny fahatapahan’ny rano miverimberina tao an-toerana no antony nanaovan’izy ireo izany hetsika izany, raha ny voalaza.

« Mahagaga mihitsy hoe samy anaty fokontany iray fa ny rano any amin’ny faritra sasany mandeha ara-dalàna, ny sasany tsy mandeha kanefa samy misotro rano, samy mampiasa rano daholo ihany » hoy i Tolotra, mponina ao Ankadindramamy.

« Mila fanarahana maso sy fijerena ifotony mihitsy ny resaka rano ety an-toerana ity. Aina ny rano ka tokony hisitraka sy hahazo izany araka ny tokony ho izy avokoa ny rehetra » hoy i Sylvia, mpivarotra hani-masaka.

Anisan’ny olana hiainan’ny mponina eny an-toerana efa hatramin’ny ela ny fahatapahan-drano. Mangataka amin’ny tomponandraikitra araka izany ireo mponina mba hijery akaiky ny zava-misy izao ary hitondra vahaolana mifanaraka amin’izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire