Ambohimangakely : Ilaina ny fahaizana teny vahiny
Tena ilaina, indrindra ho an’ny tanora, ny fianarana teny vahiny. Ny fahaizana tenim-pirenena iray hafa dia hitondra antsika ho any amin’ny firenena hafa. Izany indrindra no nahatonga ny BTC Ambohimangakely hikarakara fampianarana teny vahiny.
Misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fianarana teny frantsay sy ny anglisy amin’izao. « Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny fampianarana teny frantsay sy anglisy eto amin’ny BTC Ambohimangakely. Maharitra telo volana ny fampianarana. Misafidy tenim-pirenena iray amin’ireo isika ianarana. Mbola ho avy ny fampianarana ny teny vahiny hafa toy ny espaniola sy ny teny sinoa ary ny maro hafa » hoy i Diamondra, mpitantana ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Manomboka amin’ny herinandro ambony ny fianarana teny anglisy. Tena ilaina tokoa ny fahaizana izany noho izay teny iraisam-pirenena. Araraoty ary misorata anarana » hoy i Ando, manam-pahaizana manokana mikasika ny teny anglisy.
Tena zava-dehibe ary mitondra fandrosoana ny fahaizana teny vahiny. Marina fa ny teny frantsay no teny faharoa ampiasaina eto Madagasikara. Vitsy anefa no mahay izany. Ny orinasa amin’izao fotoana izao eto Madagasikara dia mitaky ny fahaizana teny frantsay sy anglisy. Mahazo tombony lehibe ireo mahafehy izany.
Nicole Rafalimananjara
