ActualitésTsidika

Ambohitrarahaba : Mila mitandrina manoloana ny mpanendaka

Miverina indray ny tsy fandriam-pahalemana ao Ambohitrarahaba amin’izao fotoana izao. Andro amin’ny dimy maraina no nisy feon’olona miantso vonjeo fa misy mpandendaka.

« Tokony ho tamin’ny dimy teo no naheno olona nifanenjika sady niantso hoe « mpandendaka » aho tety Ambodivary. Tena milamintsaina mihitsy ireny mpanendaka ireny amin’io asany io. Tsy misy fatahorana mihitsy na kely aza » hoy i Rakoto, mponina ao Ambodivary Ambohitrarahaba. « Samia mailo daholo fa tsy kely lalana ny ratsy. Tsy mifidy na andro na alina izy ireny. Betsaka manoloana ny mpitandro filaminana ny jiolahy » hoy i Herilanto, manam-pahaizana mikasika ny fiarahamonina.

Tsara foana ny mitandrina. Tokony ho fadiana mihitsy ny mandeha maizina any amin’ny toerana atahorana. Efa miezaka mitsinjara ireo jiro manazava ny tompon’andraiki-panjakana eto Avaradrano. Fandraisana andraikitra amin’ny fanjakana miampy ny an’ny mponina no tena mampandroso manoloana izao tsy fandriam-pahalemana izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire