ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Doro tanety tao Antohobe, Betafo

Mbola tsy mety fongatra mihitsy ny doro tanety eto Madagasikara, anisan’ny antony iray mahatonga ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tsy fahazoana rotsak’orana mahampy sy ilain’ny tantsaha maro eto Madagasikara anefa izany.

Velaran-tany 25 hekitara izay feno zana-kazo 100 000 fototra no tratry ny doro tanety niniana natao tao Ambatoharanana Kaominina Antohobe distrika Betafo. Efa nahomby ny fanentanana ny mponina ny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana saingy ny omby indray matory tsy indray mifoha ka misy foana ireo tsy mandinika ny ho avy sy tsy mieritreritra ny ho avy ka manao fanahy iniana mampijaly ny hafa sy mampijaly tena. Toerana anisan’ny ahitana tantsaha maro anefa iny toerana iny ka mila tontolo iainana mendrika mba hahazoana rotsak’orana ampy amin’ny fambolena.

« Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa fanahy iniana ity tranga ity ary efa eo andalam-pitedavana ny nahavanon-doza izahay mpitandro ny filaminana, tsy mendrika ny maha olompirenena ny toe-javatra tahaka itony ka ho saziana mifanraka amin’izany izay tratra ami’izao zava-mitranga izao », hoy ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena ao amin-ny Distrikan’ny Betafo. « Saziana izay fokontany ahitana dorotanety, atao avertissement avy eo licenciement amin’izay samy sarotiny. Ampiharo ny lalàna ! Fantatr’izy ireo ny olona mpandoro io fa lay izy « impuni » dia kamo ny olona handray andraikitra » hoy i Nadia raha naneho hevitra tao amin’ny facebook mahakasika ity tranga ity.

Fananana iombonana ny zavatra rehetra tsy misoratra amin’olon-tokana ka ao anatin’ny fanabeazana ho olombanona dia voalaza fa mila hajaina izy ireny. Manana fahafahana manome sazy izany ny tompon’andraikitra mba hahafahana mitsinjo ny fananana iombonana ho an’ny taranaka fara mandimby.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire