Afrique de l’Ouest : Ny djembé, zava-maneno dobohana
Zava-maneno vita amin’ny hazo miendrika kalisy nametrahana hoditra osy na « antilope » nohenjanina ny « Djembé ». Ny tanana no ampisaina amin’ny fivelesana azy ary mamoaka feo samihafa ilay « spectre sonore » eo aminy arakaraky ny fomba hivelesana azy.
Misy miantso hoe « Tam-tam » ihany koa io zava-maneno io. Avy ao Afrique de l’Ouest no nipoirana tao anivon’ny Empire Mandingue antsoina ihany koa hoe empire du Mali. Ny taonjato faha-13 kosa izy no niditra tao Soundiata Keïta, nihitatra tao Guinée hatrany atsinanan’i Mali ary nianavaratra hatrany Côte d’Ivoire rehefa nandalo an’i Burkina Faso.
