Alasora : Manentana ny hanefana ny hetra trano 2020 ny kaominina
Hisy ny fizarana ny taratasin’ketran-trano tamin’ny taona 2020 ao amin’ny kaominina Alasora. Ny avy ao amin’ny « Quartier mobile » no hanatanteraka izany, izay hitondra karatra famantarana azy ireo.
« Handalo eny amintsika ireo quartier mobile hizara ireo taratasin-ketratrano tamin’ny 2020. Hitondra badge famantarana azy izy ireo. Miangavy antsika handray azy ireo » hoy ny avy ao amin’ny kaominina. « Manantena ihany koa izahay ny fanefantsika ny anjara hetrantsika. Ny fanefana iznay manko no lalana voalohany ho entina mampandroso ny tanàna iombonana » hoy hatrany izy ireo.
Ny fahazotoana mandoa hetra tokoa dia fandraisana anjara mivantana ataon’ny vahoaka amin’ny fampandrosoana. Tsara raha manefa ny adidintsika isika ho antoky ny fampivoarana.
Nicole Rafalimananjara
