ActualitésCultureTatitra

Chine : Ny Tai-chi-chuan, haiady « malefaka »

Ny « tai-chi-chuan » na « tai chi » na « taiji quan » dia haiady avy ao Chine. « Gymnastique énergétique » efa tany amin’ny taonjato maro lasa tany izy io izay nanan-danja goavana teo amin’ny fitsaboana nentim-paharazan’i Chine. Misy refy ara-pahany ihany koa io haiady io izay mikendry ny fampiasana ny hery antsoina hoe « Chi ».

Tsy fantatra mazava ny tena fiavian’io haiady io saingy misy ireo milaza fa efa tany amin’ny « dynastie Ming » (taonjato faha-13 sy 14) tany izany. Fihetsika miadana sy milantolanto mazava tsara, amin’ny filaharana efa voafaritra ny « tai-chi-chuan ». Sampana iray amin’ireo 5 mandrafitra ny fitsaboana nentim-paharazan’i Chine izy, miaraka amin’ny « acupuncture » (fitsaboana mapiasa fanjaitra), « diététique chinoise » (sakafo), « pharmacopée » (fampiasana zava-maniry) ary « massage Tui Na ».

Laisser un commentaire