Ankadikely Ilafy : Tontosa ny fiofanana ho mpanazatra baolina kitra
Notolorana « Cértificat de Participation » ireto mpiofana ho mpanazatra baolina kitra miisa 14 tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Misalotra ny anarana « Sangany » ireto mpiofana ireto rehefa niofana nandritra ny herinandro.
« Lafiny efatra ny fampiofanana noraisin’izy ireo : ny lafiny teknika, taktika, ny ara-batana ary ny toe-tsaina. Sady mpampiofana ao amin’ny Federasion’ny Baolina Kitra Malagasy no mpampiofana avy amin’ny CAF no nandray antanana izao fampiofanana izao. Nahazoan’ireo mpiofana « Licence D » taorian’ny valim-panadinana izay nataon’izy ireo » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Hanohana hatrany ny fanatanjahantena mba hisondratan’ny lentan’izany eto amin’ny kaominina izahay. Misaotra antsika rehetra niara-niasa nahatontosany izany » hoy ny ben’ny tanàna, Rajaonah Rija.
Mandroso hatrany ny tontolon’ny baolina kitra ao Ankadikely Ilafy. Miezaka ho amin’ny matihanina hatrany izy ireo.
Nicole Rafalimananjara
