ActualitésTatitra

Chine : Tao an-toerana no nisian’ny fitohanan’ny fifamoivoizana ela indrindra

Raha mampikolay anao ny fitohanana eto Antananarivo renivohitra dia fantaro fa efa niaina fitohanan’ny fifamoivoizana 10 andro ny mponin’i Chine. Io no fitohanan’ny fifamoivoizana naharitra ela indrindra teo amin’ny tantara raha ny fanazavana.

Tamin’ny 13 aogositra 2010 no niseho ity tranga ity teny amin’ny lalam-pirenena 110 tao Chine. 10 andro ireo fiara efa manodidina ny 500 000 isa no nihitsoka tao anaty fitohanana ary nahatratra hatramin’ny 100 kilometatra ny filahara’n’ny fiara. 1 kilometatra monja isan’andro teo ny fikisahan’ny fiara.

Tsy nijanona fotsiny tao anatin’ny fiarany nefa ireo olona ireo nandritra izany 10 andro izany. Niforona tampoka ireo tsena kely isan-karazany, mpivarotra « nouilles » masaka, mpivarotra rano saingy avo folo heny ny vidiny. Marihina fa fotoana fodian’ireo mpanao fialan-tsasatra no nisehoan’io tranga io.

Laisser un commentaire