ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Efa miverina amin’ny laoniny ny famatsian-drano

Efa miverina amin’ny ara-dalàna ny famatsian-drano ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Efa vita soa aman-tsara ny fanamboarana ny fantsona vaky, niteraka ny fanelingelenana ny alatsinainy teo, araka ny voalaza.

« Manao ny ezaka rehetra ny tomponandraikitra misahana ny rano eto an-toerana, mba hamaly ny filàn’ny mponina araka izay haingana, indrindra manoloana ny olana tahaka izao. Ny rano aina, ka manahirana raha izy io no tsy misy ao an-tokatrano na eny amin’ny fiaraha-monina » hoy ireo tomponandraikitra.

 « anisan’ny mahasarotiny ny mponina ny tsy fisian’ny rano. Izany no ilàna ezaka hatrany ary hisaorana ireo tomponandraikitra namaha ny olana haingana » hoy i Rolland, mponina ao Ambohimanambola.

Raha tsiahivina, nisy fahatapahana ny rano tao Ambohimanambola ny fiandohan’ny herinandro teo. fahavakisan’ny fantsona mitondra ny rano miakatra mankao amin’ny toeram-panadiovana rano no nahatonga izany.

Laisser un commentaire