SocialTsidika

Ahiana ho nangalatra ny tariby mitondra herinaratra ilay olona mipetraka amina tranokely mitokana any Manandriana

Nisy naka ny fil mitondra herinaratra mankany Ambatomandondona any Manandriana Avaradrano ny ny 23 septambra lasa teo. Olona mipetraka amin’ny trano kely iray eny antampon-kavoana no ahiana no nanao izao halatra izao raha ny valin’ny fanadihadihana.

« Navoaka ny alika mpitsongo dia ka nizotra nakany amin’ilay tranokely mitokana eny antampon-kavoana na alika ka tsy maintsy misy hifandraisany amin’ilay halatra ity olona mipetraka ato ity » hoy ny mpitandro filaminana any an-toerana. « Mbola ahiana aloha izy hatreto ary efa manohy ny fanadihadihana ny mpitandro filaminana, koa izay mahita ny tohin’ny raharaha rehetra dia entanina hiresaka amin’izy ireo mba hisian’ny fiarahamiasa » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Manandriana.

« Tsy tokony hajanona amin’izao ny raharaha fa ity olona mahantra mampalahelo ity no hizaka ny vokany samirery kanefa tsy maintsy nisy niray tsikombakomba taminy tao » hoy i Hanitra, mponina any an-toerana. Efa matetika mihitsy ny fangalarana ny tari-bin’ny Jirama tahaka izao, izay manimba ihany koa ny fananan’ny vahoaka noho izy mamatsy herinaratra ho an’ny vahoaka ihany sy miasa ho an’ny vahoaka. Andrasana ny tohin’ny raharaha ary irariana mba tena hanao ny asany tokoa ireo mpitandro filaminana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire